Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
Toko faha-2
10 Tamintsika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin'Andriamanitra aza. 11 Iza àry no hahalala izay ao am-pon'ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany. 12 Ary isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy avy amin'Andriamanitra, mba hahalalantsika ny zavatra nomen'Andriamanitra antsika tamin'ny fahasoavany.13 Tsy mba amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olombelona no ilazanay an'izany, fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, satria zavatra ara-panahy izany, ka lazainay amin'ny teny ara-panahy koa. 14 Tsy azon'ny olona ara-batana anefa ny zavatra avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra; ataony ho fahadalana izany, fa tsy hainy fantarina velively, satria amin'ny Fanahy no hany amantarana izany. 15 Fa ny olona ara-panahy no mitsara ny zavatra rehetra, sady tsy azon'olona tsaraina. 16 Satria zovy àry no nahafantatra izay hevitry ny Tompo, ka ho afa-mampianatra azy? Fa isika manana ny hevitry ny Kristy.
